Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitsy toraka

Hihatsara amin’izay

Andro vitsy lasa izay, tamin’ny fomba makotrokotroka ny nanaovana ny fanambarana tetsy Analakely fa hiova ho «Pro league» ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra.

Samy resy lahatra ny rehetra fa hiova ary hihatsara amin’izay, manomboka izao, ny fifaninanam-pirenena. Tsy misy azo kianina fa tena mipetrapetraka tsara avokoa ny lamina ho amin’ny fanatanterahana izany, izay ny CFEM no hitantana azy. Azo antoka fa tsy hisy himenomenona intsony satria matotra ny fikarakarana ary manaraka ny teknolojia. Tsetsatsetsa tsy aritra kosa ny ilazana fa saika hadino ireo tena tomponandraikitra voalohany, tsy iza fa ny mpilalao. Marina fa misy ny fanomezana amboara sy loka amin’ny fiafaran’ny taom-pikatrohana, saingy tena ilain’izy ireo ny vola. Eo indrindra ny iantsoana ny CFEM handresy lahatra ireny orinasa mpanohana ireny, hiditra lalindalina kokoa ka ho tonga mivantana eny anivon’ny mpilalao izany. Inona moa ny maharatsy ny toy ny fahita any ivelany any: ny fanomezana vola ny mpilalao iray rehefa mitondra ny vokatra vokariny ilay orinasa. Nofinofy, saingy azo tanterahina tsara.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.