Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FJKM: nodimandry ny mpitandrina Ramino Paul

FJKM: nodimandry ny mpitandrina Ramino Paul

Nodimandry, ny asabotsy hariva teo amin’ny faha 77 taony, ny mpitandrina Ramino Paul Abraham. Nitandrina tao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena nandritra ny 21 taona izy. Lohandoham-pisorona tamin’ny fitondrana skoto ary nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’izany fitaizana tanora izany ny tenany.

Nitazona ny andraikitra maha sekretera jeneralin’ny FJKM ihany koa ny mpitandrina Ramino Paul Abraham tany aloha. Betsaka ireo kristianina niofana taminy mialoha ny hanao mariazy. Maro ihany koa ireo zaza nataony batisa nandritra ny fitandremany. Ankoatra izany ireo tanora nandray anatra taminy tamin’ny alalan’ny Tily.

Araka ny fantatra, izy no namorona ny tehaka fanentanana “lamako – avereno – atambaro”.

Ankoatra izay, mpanoratra boky ary efa namoaka boky maromaro ny pasitera Ramino Paul. Mpanoratra tononkalo ihany koa izy.

Teo amin’ny sehatry ny politika, efa mpikambana tao amin’ny antoko Avi ny tenany, mpikambana ao amin’ny Ray aman-dreny mijoro ihany koa izy tamin’ireny vanim-potoana nafana teto amin’ny firenena, ny taona 2009, ireny. Efa mpikambana naharitra tao amin’ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena (FFM).

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.