Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: donan’ny samy kartie…

Rugby – «Gold Top 20»: donan’ny samy kartie…

Hitohy, anio asabotsy 12 sy rahampitso 13 oktobra, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na ny “Gold Top 20”. Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny donan’ny samy kartie, ny fifanandrinan’ny Tam Anosibe sy ny FTM Manjakaray. Ela tsy nihaona tokoa ny roa tonta. Hangotraka ny fifankahitana, amin’ity. Hatreto aloha, mitovitovy ny isan’ny fandresena azon’ny roa tonta, teo amin’ny fihaonana mivantana. Samy manana mpilalao tanora sy kinga ny andaniny sy ny ankilany. Na izany aza, tombanan’ny rehetra fa mety hanantombo eo amin’ny fahazaran-dalao goavana ny Manjakaray izay efa manana traikefa amin’izany.

Adin’ny samy boaty kosa ny an’ny Uscar sy ny Cosfa (Bebaoty). Sakamalao sy havozo ihany koa ireo ka samy manana ny hanitra ho azy. Hiendrika famaranana kely mihitsy ity lalao ity satria hifandona ny ekipa matanjaka. Ho resy izay manao tandrevaka sy manao hadalana amin’ny fahadisoana.

 

Tompondaka

 

 

Ireo fandaharan-dalao  

 

Asabotsy 12 oktobra

09 :00 – 3F5 Amboditsiry # FTBA Andohatapenaka

11:00 – FTA Andavamamba # 3FB

01:00 – 3FAI Vakinankaratra # STM Savonnerie

03 :00 – Tam Anosibe # FTM Manjakaray

 

Alahady 13 oktobra

09 :00 – VTMA Antsalovana # TFMA Ankasina

11:00 – Cnaps Sport Matsiatra Ambony # US Ikopa

01:00 – TFA Anatihazo # XV Avenir Andohatapenaka

03:00 – USCAR Fivondronana # Cosfa

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique