Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety U14 – Nasionaly: nandravarava ny ekipan’Analamanga

Basikety U14 – Nasionaly: nandravarava ny ekipan’Analamanga

Nafana ny lalao ampahefa-dalana, omaly tany Mahajanga, ho an’ny sokajy U14 lahy sy vavy, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, taranja basikety. Nisongadina ary tena nandravarava ny ekipan’Analamanga satria manana ekipa roa vehivavy sy roa lehilahy hiatrika ny manasa-dalana hatao anio. Raha iverenana izay voka-dalao izay, isan’ny tafakatra amin’ny dingana manaraka ny ekipan’ny Mb2All, sokajy vehivavy, rehefa nandavo ny JSB Boeny, tamin’ny isa 41 no ho 18. Nahazo ny tapakila ihany koa ny Lucadro Analamanga rehefa nanilika ny Sepa Analamanga, tamin’ny isa 35 no ho 30. Teo amin’ny vehivavy hatrany, isan’ny tafakatra ihany koa amin’ny manasa-dalana ny Sepa ABM Boeny rehefa nifandona tamin’ny ASF Analamanga ka nahazo ny fandresena tamin’ny isa 44 no ho 33. Toraka izany ihany koa ny ekipan’ny BCI Vakinankaratra, nandresy ny Ascut Atsinanana, tamin’ny isa 16 no ho 14.

Nifampitady ny Mb2All sy ny Cosfa, lehilahy

Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, lalao isan’ny nampitsanga-mitoetra ny fifanandrinana teo amin’ny ekipan’ny Mb2All Analamanga sy ny Cosfa Analamanga. Tsy nisy nanaiky lembenana ny andaniny sy ny ankilany nanomboka tany amin’ny fizaram-potoana voalohany, saingy ny ekipan’ny Cosfa no tompon-teny farany ka nahazo ny fandresena tamin’ny isa ety dia ety 67 no ho 66. Toy izao kosa ny voka-dalao hafa: Ascut Atsinanana 33-38 BC Est Atsimo Andrefana/Bas Bongolava 51-44 ASBB Bongolava/JCBA Analamanga 39 – 31.

 

Mi.Raz

 

Lalao ½-dalana:

Vehivavy: Mb2All vs BCI 104/Lucadro vs Sepa ABM

Lehilahy: Cosfa vs Bas/BC Est vs JCBA

Les commentaires sont fermées.