Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Total CAF Confédération Cup »: manomboka anio ny fanomanantenan’ny Fosa

“Total CAF Confédération Cup »: manomboka anio ny fanomanantenan’ny Fosa

Vantany vao vita ny antsapaka, miditra avy hatrany amin’ny fanomanantena ny ekipan’ny Fosa Juniors FC, hiatrika ny fiadiana ny amboara amin’ny « Total Caf Confederation Cup ». Hifanandrina amin’ny Fosa Juniors Elite ny RS Berkane avy any Maraoka. Io ny navoakan’ny antsapaka natao ny alarobia alina lasa teo. Raha tsy misy ny fiovana, any amin’ny kianja synthétique Rabemananjara ny hanaovana ny lalao mandroso ny 27 oktobra raha any Maraoka kosa ny hanaovana ny lalao miverina, ny 8 novambra. Somary ho sahirankirana ihany ny ekipa malagasy satria raha araka ny efa fantatra, ny 19 oktobra ihany koa ny hanaovana ilay lalao miverina, hifanandrinan’ny Barea amin’ny ekipan’i Namibia, izay misy mpilalao vitsivitsy avy amin’ny Fosa Juniors FC hilalao amin’izany. Somary ho hita soritra ihany, araka izany, ny harerahana ho an’ireo mpilalao ireo.

Tsahivina fa taorian’ny nahararaka ny Fosa teo amin’ny fiadiana ny “Caf Champion’s League», nivadika any amin’ity fifaninanana fiadiana ny amboara ity ny tompondakan’i Madagasikara.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique