Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zaka tsara : tsy kely lalana ny ratsy       

Mandeha eo aloha ny tena, ahiahin’ny olona; mandeha ao afara, miahiahy olona. Na inona na inona atao: manana sy mahita holazaina hatrany ny hafa, indrindra ny hoe mpanohitra. Izay no asany? Raha tsy manao izany izy no hafahafa.

Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, tena ilaina ny fahamalinana. Nahoana? Misy ny tsy mahazaka fanovana. Na tsy mahatanty ny tena manao sy mahavita zavatra… Hany ka tsy mahita afitsoka afa-tsy ny manakorontana ny sasany.

Sarotra sy mafy mandrakariva ny mitondra zava-baovao, indrindra ho amin’ny fanitsiana sy mety manohintohina ny tombontsoa manokana nisy nanjakazaka hatramin’izay. Izay no nahatompony mangataka atiny ny vahoaka.

Eo indrindra izao: mila fahamalinana, faharetana, fijoroana… Tsy kely lalana tsinona ny ratsy. Fa tokony hahita lalana hivoahana amin’ny tsara ataony koa izay tena miasa. Tsy vao mainka mampihazakazaka ve ny fanenjehana?

R.Nd.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique