Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – Mondial ¼: hidona amin’i Japon i Ecosse

Rugby – Mondial ¼: hidona amin’i Japon i Ecosse

Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Rugby. Isan’ny tena andrasana, ny lalaon’i Japon amin-dry zareo Ecossais. Fihaonana manan-tantara no hiseho amin’izany satria dia isan’ny firenena sangany ny Ecossais, raha nahavita fahagagana sy dingana lehibe kosa ny Japonais, izay tonga amin’izao dingana izao. Tsiahivina, nomontsanin’ny Ecosse, tamin’ny isa mavesatra 61 no ho 0 ny Rosiana, ka nahatonga azy ireo hahazo ny tapakila hiatrehana ity ampahefa-dalana ity, izay « essais » efatra ihany no nilainy tamin’izany dia efa afaka izy ireo, saingy mbola nihoatra izany moa ny isan’ny baolina nentin-tanana azon’izy ireto. Ho antsika Afrikana, tafita amin’izany dingana izany ny Spring Boks Afrika atsimo, izay nanilika an’i Kanada, 66 no ho 7.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique