Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra fanomanana: resin’ny Barea «Chan» ny Elgeco Plus

Kitra fanomanana: resin’ny Barea «Chan» ny Elgeco Plus

Nitohy, omaly, teny amin’ny kianja Elgeco Plus, teny By-pass, ny lalao fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, hiatrika ny fihaonana miverina hiadian-toerana amin’ny “Chan 2020”, taranja baolina kitra. Lalao, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina. Resin’ny Barea de Madagascar, tamin’ny isa, 3 no ho 1 ny ekipan’ny Elgeco Plus, tamin’ity. Niakatra kianja, ireo mpilalaon’ny Fosa Jr, toa an’i Andry Max sy i Santatra ary i Andry kely, izay vao tonga nanatevina ny ekipam-pirenena. Tsapa fa efa mivoatra sy mihatsara ny rindran-dalaon’ny Barea, raha mitaha, ny tamin’ny alahady. Efa tsapa ihany koa fa ao anatin’ny tanjany avokoa ireo mpilalao tsirairay, ankehitriny. Niezaka, nanodina ireo mpilalao teo am-pelatanany, i Francklin sy i Dama, mpanazatra. Nisaraka, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny roa tonta, teo am-pialan-tsasatra ka nitarika ny Barea. “Pénalty”, io baolina tafiditra io. Tsara ny fiarovantenan’ny ekipam-pirenena, toy izany koa ny fanafihana. Vokany, nanampy baolina roa ho an’ny Barea, i Arnaud sy i Jean-Yves. I Bila kosa no nahafaty ny baolina tokana, ho an’ny Elgeco Plus.

Hidona amin’ny ekipa voafantin’Analamanga indray ny Barea de Madagascar, ny asabotsy ho avy izao. Aorian’io, no hivoaka ny anaran’ireo 20 mirahalahy, ho any Namibia. Tsiahivina fa ny asabotsy 19 oktobra, no hanaovana ny lalao miverina eo amin’i Namibia sy ny Barea, izay efa nanan-tombo tamin’ny isa, 1 no ho 0.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique