Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Faly sahirana

Izay aleha, izay làlana diavina toa misy asa fanamboarana avokoa. Matetika tsy vitan’ny fanampitampenana na fandrakondrakofana atao fanafenana ny ratsy fa tena asa goavana entina hanavao hatrany amin’ny fototra lafiny ianteheran’ny rafitry ny arabe.

Mandainga izay milaza fa tsy velom-bolo mahita an’izao fanamboarana goavana manerana an’Antananarivo izao. Eo andaniny anefa noho ny fitiavan-tena amin’ny maha olombelona dia maro no mampiseho fahasorenana manoloana ny fanampina trotraka aterak’izany eo amin’ny fikatson’ny fifamoivoizana. Araky ny lalànan’ny tany, matetika ny soa tsy tongatonga ho azy raha tsy mialoha azy ny ezaka sy fandeferana. Sivy volana no ilanjan’ny reny azy an-kibo vao latsaka an-tany ny olona tsirairay.
Raha ity fanamboaran-dàlana ity no dinihana, toa mbola tsy nisy toy izao teto amin’ny tanàna. Lasa ny saina inona ary ny antony tsy nanaovan’izay tompon’andraikitra teo aloha ny toy izao ? Moa ve namoromporona vola ireo mpitantana ankehitriny sa ry zalahy teo aloha no tsy nandraharaha nampiasa ny vola ho an’ny tombotsoa iombonana ka tsy nanam-piheverana afa-tsy ny famenona ny paosiny ?
Raha tonga any amin’ireo mpitondra teo aloha ny resaka, ka mitsidika ny ahiahy isan-karazany, ahiahy amafisin’ny fahafantarana fa miadam-potsiny any ivelany mandry ambonin’ny fananana maramara fototra ny sasantsasany amin’izy ireo, dia rariny ve ? Tsy ny fampideraderana an’ireo namany vitsy nadoboka any amponja no entina anakonana an’ireo lohandohany navela niporitsaka nandeha nialokaloka any amin’ny firenena namana mifandraharaha amin’ny tena sady mbola mpananatra ho an’ny fanaovana fitondrana tsara tantana nefa mampiatrano an’ireny mpitondra fantatra mazava fa nangala-pihinana tao anatin’ny sinim-bolam-pirenena.

Ny fifandraisana amin’ny firenena vahiny moa dia toy ny làlana nofaritan’ny Tompo sarotra alalinina fa tsy maintsy izorana raha tia ho avotra ny tena. Ao moa raha samy mahitsy saina sy samy madio fo no heverina ho rariny sy feno fahadioavana ny fandambolamboana ny fifandraisana amin’ny firenena izay etsy andaniny melohina dia gadraina ireo mpandraharaha mandefa mpiasa any amin’ireo firenena ireo noho ny fahafantarana fa ny mponin’izy ireo dia mpanandevo.

Miverina indray amin’ny lalàn’ny tany sy amin’ny làlan’ny Tompo, ekena mazava na tazana mitsilopilopy aza. Tsy ny fitondrana eto Madagasikara irery no voatery mampifandray roa mifanipaka, raha mikotrika volamena ny firenena iray fantatra ho panitsakitsaka ny zon’ny olom-pirenenany, tonga mirodorodo mandambolambo azy avokoa ireo firenena matanjaka izay miady lohalaharana ary mifaninana ho mpananatra momba ny fiarovana ny zon’olombelona.


Léo Raz      

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique