Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Telma-Ericsson: dingana ho any amin’ny 5G

Telma-Ericsson: dingana ho any amin’ny 5G

Toerana miisa 2.000 ! Io ny tanjona napetraky ny Telma sy ny orinasa iraisam-pirenena Ericsson, handrakofana manontolo an’i Madagasikara amin’ny fifandraisan-davitra matanjaka, ahafahana mampiasa finday sy ny teknolojia niomerika. Ao anatin’izany ny hampiasana ny tanjaka 4,5 G hahatongavana any amin’ny 5G.

Vita sonia, ny 12 jolay teo tany Le Caire Egypta ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, nataon’ny tale jeneralin’ny Telma, i Patrick Pisal-Hamida, sy ny lehiben’ny Sampana mpanjifa Afrika ny Ericsson, Rtoa Nora Wahby. Hisahana ny famatsiana ny fitaovana avo lenta sady hiaka farany ho an’ny Telma ny Ericsson, toy ny fitaovana radio, ny fifandraisan-davitra niomerika, ny Voice over LTE sy ny Voice over Wi-fi, ohatra. Mitentina 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, hampiasaina ao anatin’ny efa-taona (2019-2023). Nilaza ny tale jeneralin’ny Telma, Patrick Pisal-Hamida, fa “tanjonay ny hanomezana tolotra ny Telma, zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra, tsara kalitao ary mora ampiasaina. Dingana ahatongavana any amin’ny tanjaka 5G ihany koa ity fiaraha-miasa amin’ny Ericsson ity”.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.