Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Madajazzcar – Bara Ravaloson: « Vitsy ny mpitendry « contrebasse » »

Zavamaneno anisan’ny fampiasa eo amin’ny tontolon’ny jazz ny « contrebasse ». Nizara ny traikefany momba azy io, omaly teny amin’ny Conservatoire national de Madagascar (CNM) Ampefiloha i Bara Ravaloson. Fotoana nanazavany ihany koa fa « vitsy loatra ny mpitendry « contrebasse eto Madagasikara ». Nohamafisiny anefa fa tsy eto ihany io fa tranga manomboka miseho any ivelany ihany koa. « Lasa ataon’ny olona haingon-trano fotsiny ity zavamaneno ity », hoy izy. Raha ny fantatra sy nambaran’ireo mpiangaly io zavamaneno io, efa an-dalana tsy ho hita intsony eo amin’ny tontolon’ny hira ny « contrebasse ». Anisan’ny nandrisika an’i Bara Ravaloson hanatontosa ity atrikasa ity ny fahitana io tranga io. Marihina fa anisan’ireo mpitendry « contrebasse » manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Bara Ravaloson.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique