Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: tsy afaka milalao 15 andro i Voavy Paulin

Kitra: tsy afaka milalao 15 andro i Voavy Paulin

Miato ny fiakaran’i Voavy Paulin, kianja. Maratra, ity irakiraka mpanafika ao amin’ny Barea de Madagascar ity, izay milalao any Egypta, ankehitriny,  voatery mijanona roa herinandro. Voadona teo amin’ny feny mantsy izy.

Vaovao ratsy ho an’ny baolina kitra malagasy sy ny Barea de Madagascar. Araka ny tati-baovao, hita tamin’ny tambajotran-tserasera, maratra, amin’izao fotoana izao, i Voavy Paulin, irakiraka mpanafika ao amin’ny El Makkasa. Nambaran’ny mpitsabo azy, fa tsy afaka miakatra kianja izy, mandritra ny 15 andro eo ho eo. Voadona, teo amin’ny feny, ny tovolahy, nandritra ny fihaonan’ity kliobany ity, sy ny Zamalek.

Lalao, notanterahina tao amin’ny kianja El Salam Stadium, ny alakamisy 3 oktobra lasa teo, ary tafiditra, amin’ny andro fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Egypta, sokajy diviziona voalohany (D1).

Anisan’ireo mpilalao 11 nijoro voalohany i Voavy Paulin, tamin’io fihaonana io. Voatery, nesorina izy, teo amin’ny minitra faha-38 taorian’ny dona nahazo azy ary nosoloin’i Mido Gaber. Marihina fa resin’ny Zamalek, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny El Makkasa, tamin’io lalao io. Baolina tafiditr’i Zizo, teo amin’ny minitra faha-56.

Nivarina any amin’ny laharana faha-11 ny ekipan’i Voavy Paulin, taorian’ity faharesena ity. Hatreto, tsy manana afa-tsy isa 3 ny El Makkasa, izay nahazo fandresena iray sy faharesena indroa misesy.

Tsy afaka hiaraka amin’ny fampivondronana

Mipetraka eo amin’ny laharana fahefatra kosa ny Zamalek, manana isa 7 rehefa nandresy indroa sy nanao ady sahala 1. Mbola mitarika eo amin’ity fifaninanam-pirenena egyptianina ity kosa ny Al Ahly, manana isa 9 taorian’ny fandresena intelo azony.

Araka izany, tsy ho afaka hamonjy ny fampivondronana miaraka amin’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fanomanana ny lalao fifanintsanana, hiadian-toerana, ho an’ny “Can 2021”, hikatrohana amin’i Etiopia, hanomboka atsy ho atsy, izany i Voavy Paulin.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique