Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra fanomanana: foana ny lalaon’ny Barea sy ny Club M Maorisy

Kitra fanomanana: foana ny lalaon’ny Barea sy ny Club M Maorisy

Araka ny fampitam-baovaon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), nofoanana ilay lalao firahalahiana, saika hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Club M Maorisy, hatao, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, ny alahady 13 oktobra, ho avy izao. Antony maro ny nahatonga izany.

Voalohany aloha, maro ireo mpilalaon’ny Barea any ampitan-dranomasina no tsy afaka hamonjy ny fampivondronana eto Madagasikara, noho izy ireo ao anatin’ny fifaninanana tanteraka, amin’izao fotoana izao, ka tsy avelan’ny klioba misy azy, handeha. Anisan’ireny, i Abel Anicet, ao amin’ny Ludogorets, miatrika ny fifanintsanana “ligue europa”. Eo koa ry Bôlida, mbola ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Ligue 2”, Frantsa. Mbola tsy fantatra kosa, araka izany, ny ho fanomanana ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia, eo amin’ny “Can 2021”. Fihaonana, hatao etsy Mahamasina, ny 11 novambra, ho avy izao. Mandra-piandry izany, efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka kosa ny Barea zandriny, amin’ny fiatrehana ny lalao miverina, hikatrohana amin’i Namibia, ny 19 oktobra, ho avy izao, any Windhoek. Hiadian-toerana ho an’ny “Chan 2020”. Hiatrika lalao tsapa, amin’ny Elgeco Plus, izy ireo, amin’ity alarobia ity, ary hifandona amin’ny ekipa voafantin’Analamanga, kosa ny asabotsy 12 oktobra 2019. Marihina fa efa tonga namonjy ireo namany, eny Carion, avokoa ireo mpilalaon’ny Fosa Jr, valo mirahalahy.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique