Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Imerintsiatosika: lehilahy nanolana marary saina

Imerintsiatosika: lehilahy nanolana marary saina

Saron’ny polisy ao Imerintsiatosika, ny asabotsy teo ny lehilahy iray voarohirohy noho ny resaka fanolanana vehivavy iray nitsabo tena tao amin’ny hopitaly fitsaboana marary saina ao Imerintsiatosika. Raha ny fanazavan’ny polisy, miasa ao amin’io hopitaly io ny vadin’ity lehilahy ity ka tonga maka ny vadiny ao foana  izy. Nisy fotoana anefa taraiky ilay lehilahy naka ny vadiny ary efa lasa nody ilay ramatoa. Tamin’izay fotoana izay anefa no sendra tafaraka samy irery tamin’ilay vehivavy manaraka fitsaboana tao amin’ny hopitaly ity lehilahy ity ka notereny nanao firaisana taminy ilay vehivavy. Notantarain’ilay vehivavy tamin’ny mpitsabo azy ny zava-nanjo azy tao ary ireto mpitsabo ireto indray no niantso polisy.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique