Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

GES: herinjiro “hybride”

Natao sonia ny 3 oktobra 2019 teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo, ny Jirama ary ny orinasa Green energy solutions (GES). Votoatiny ny fifanarahana vaovao eo amin’ny telo tonta, ny vidin’ny herinaratra mikasika ny angovo iarahan’ny famokarana avy amin’ny gropy termika sy ny avy amin’ny masoandro (hydride) any amin’ny tanan-dehibe efatra eto Madagasikara (Morondava, Sambava, Antalaha, Vohemar). Tanjona, ny hisian’ny famatsiana herinaratra azo antoka, mora vidy ary kely ny tahan’ny fiparitahan’ny etona karbona (CO2), anisan’ny manimba ny tontolo iainana.

Nahazo ny antso tolo-bidy nataon’ny Jirama sy ny fanjakana malagasy ny orinasa GES, ny taona 2018, hananganana toby « hybride » miaraka, miisa efatra any amin’ny faritra Menabe sy Sava. Anisan’ny dingana natao ny fitsidihana tany Morondava Menabe, ny volana mey 2019, nampandehanana gropy termika fahadimy, sady nanombohana ny fametrahana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro any Kimony. Nisy toraka izany koa tany Antalaha Sava, ny volana jolay teo.

Mitentina 28 tapitrisa dolara ireo tetikasa rehetra ireo. Vinavinaina ho vita amin’ny jolay 2020 ny asa rehetra.

Njaka A.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique