Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiarovana ny ala sy ny velontenan’ny mponina

Fiarovana ny ala sy ny velontenan’ny mponina

Gaga ny mpijery, zendana ny mpitazana. Ala sy bozaka ao anaty valan-javabohary voaaro ao Ankarafantsika amin’ny toerana midadasika no kila forehitra satria misy mpifindra monina entina hitady ravin’ahitra mamboly sy manao saribao ao. Tsy fantatra aloha hatreto hoe fahazoan-dalana avy aiza no hahafahany manao izao asa fivelomana manimba ny tontolo iainana izao, malalaka rahateo ny fahazoan’ny Malagasy mivezivezy ato anatiny. Ny toerana toy an’Ankarafantsika itony dia tena misarika sy ankafizin’ny mpizahantany tokoa na terantany na vahiny. Tsy ao ihany fa ny tany Isalo koa ohatra, efa imbetsaka no tratry ny doro tanety. Fa mba rahoviana ihany vao ho tonga saina hoe tsy mety ny tavy sy ny doro tanety fa mitera-doza ho an’ny olona miaina amin’izao vanin’andro izao ary hamela tany hay sy karakaina ho an’ny taranaka any aoriana?

Ny fiovan’ny toetrandro izay manerana izao tontolo izao efa tsy hita ny hanaovana azy, nefa ny Malagasy sasany manao ny ataony ihany koa manampy trotraka ny fahavoazana. Iriana ho tena mafy ny sazy homena ireo olona tsy mahatsiaro tena ireo. Marina aloha fa eo ny fahantrana e! Ka nahoana moa ny olona sahirana, mitrongy vao homana no tsy avela hitrandraka vatosoa sy volamena ao anatin’ireny alan-javaboahary voaaro ireny raha misy ny fefy miaro amin’ny fihoaram-pefy. Azo atao ary ve izany no sady miady amin’ny fahantrana no miaro koa ny ala sisa tavela? Eo no mipetraka ny olana. Lafo rahateo ny etona fandrehitra noho ny tataon-ketra mavesatra dia mavesatra mianjady aminy, voatery mampiasa saribao ny maro na samy mahatsapa aza ny isan-tokantrano fa mampihena ny tahirin-kazo izany.

Ripaka ny ala atsinanana izay noheverina tsy ho lany velively. Ny Malagasy izay mitady ny harapaka isan’andro ve voatery hametraka fanontaniana hoe hanao ahoana moa ny ho avin’ny tany hipetrahantsika ity, afaka taona maromaro ao? Ny fambolen-kazo izany sisa no hantenaina hanatevina indray ny tapa-porohana sisa tsy may. Nahomby ve anefa izy ity sa zary lasa fialam-boly ny fanaovana azy. Mba maka rivotra eny ankalamanjana ny mpiasa birao valaky ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny rotorotom-piainana. Mbola tsy very ny fanantenana, hiverina ho Nosy maitso indray i Gasikara!

Vonjy Andrianjaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique