Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanevan’ny fiderana miray: namoaka DVD « Mangataha »

Fanevan’ny fiderana miray: namoaka DVD « Mangataha »

Niorina tamin’ny volana mey 2019. Fanevan’ny fiderana miray, tarika mirona tanteraka amin’ny fivoizana ny hira evanjelika. Mampiavaka ny tarika ny talenta ananany amin’ny filalaovana gadona maroloko toy ny milamina “slow” sy ny mihetsika “salegy…”.

“Mangataha”, io no kapila mangirana laharana voalohany voajarin’ny tarika amin’ny endrika rindran-tsary kalitao DVD. Ny ”Mangataha”, “efa voasoratra”, “Inty aho”, “Ny faniriako”, “Araraoty”, “Zao de ‘zao”, “Tsy nanenenako”, ireo ny hira mitaiza fanahy hahay hibebaka ka hitodika amin’ilay Ray Tsitoha no mandrafitra inty santa-bokatra inty. I Anicet tsy zovina amin’ireo mpanjifa ny hira evanjelika no nanajary ny tononkira sy ny feony. I Rojo kosa no miantsoroka ny feo “Lead vocal”.

Ankoatry ny famoahana ny “Mangataha”, hanao tohivakana hatrany ny fitetezam-paritra ho amin’ny fitoriana sy fiderana ny Tompo. Ireo rahateo no antom-pisian’ny “Fanevan’ny fiderana miray”.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.