Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatsarana ny tanàna: nidina ifotony ny governora Rasoamaromaka

Fanatsarana ny tanàna: nidina ifotony ny governora Rasoamaromaka

Nandefa fitaovana “engins” sy “tracs” miisa roa  teny Besarety ny governora Rasoamaromaka Hery, omaly. Nijery ifotony koa ny fanadiovana ireo lakan-drano, mety ahitana ireo fahatsentsenana, ialana amin’ny mety ho tondra-drano koa ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’izany. Hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ny fotoam-pahavaratra koa izany. Efa nialohavan’ny fijeren’ny teknisianina teny an-toerana izao fidinana teny Besarety, Andravoahangy tsena sy ny manodidina izao. “Asa avy hatrany miandry ny tena. Tondraka ny ambany tanàna vao avy kely ny orana. Antony nandefasana ireto fitaovana ireto izany, mba hampihenana ny fiakaran’ny rano sy itadiavana vahaolana, tsy ho lasibatra hatrany ny mponina“, hoy  izy. Nihaino ny fitarainan’ireo teny amin’ny tsenan’ny tantsaha Andravoahangy ihany koa ny tenany.  Nalain’ny CUA nanaovana  “pavillon” kely ireny  izy io ary nampanantenaina fa ho an’ireo tompon-toerana izany tany am-piandohana. “Lasan’ireo nahaloa vola kosa izany taty aoriana rehefa vita ny trano. Maro ireo very tsena  ka manoko ny entany amin’ny tany, mba ho sitrany ahay ividianana sakafo” hoy ny mpivarotra, i Marie.  Niantso ireo tompon’andraikitra mahefa hamaha io olana io avy hatrany ny governora Rasoamaromaka Hery ary nilaza fa handray fepetra mifanandrify amin’ny tenany mba hamerina izany tsena izany ho an’ireo nivarotra teo aloha. Mifangaro ny mpivarotra trondro, lamba  sy  ny mpivaro-kazo.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.