Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boriborintany fahadimy: anisan’ny vinan’ny  kandidà Naina ny fandriampahalemana

Boriborintany fahadimy: anisan’ny vinan’ny  kandidà Naina ny fandriampahalemana

Mihaino ny hetaheta ary mitondra vahaolana hatrany. Niverina teny amin’ny  boriborintany fahadimy indray ny kandidà Andriantsitohaina Naina  ary nitafa mivantana amin’ny mponina amin’ireo fokontany noteteziny. Nanotrona azy tamin’izany ny depiote Raholdina Naivo  sy ireo sefo fokontany Ambatomaro, Antsobolo, Mangarivotra, Ambohimirara, Andraisoro, Tsarahonenana ary Analamahitsy. Anisan’ny nisongadina tamin’izany  ary efa nambarany tany amin’ny fokontany hafa ny fanamafisana ny fandriampahalemana eny ifotony.  Tafiditra ao anatin’izany  ny  eny anivon’ny kartie ka  hametrahana ny polisy manakaiky vahoaka. Hifameno amin’izany ny fanazavana ny  tanàna, amin’ny alina.

Fotodrafitrasa ho an’ny tanora

Anisan’ny vinan’ny kandidàn’ny IRD laharana fahefatra koa ny fanamboarana toeram-panasan-damba sy fanatsarana ireo biraon’ny fokontany.  Efa manana vahaolana amin’ny fahazoan’ny mponina rano fisotro koa ny tenany noho ny tsy fahampian’ny rano. Manampy izany ny fanatsarana ny lalan-kely sy ny hijerena ny hamoahana ny rano amin’ny fotoam-pahavaratra.

Tsy nohadinoin’ny kandidà Andriantsitohaina Naina ny fanohanana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Eo ny fanatsarana ny fotodrafitrasa  ho azy ireo, toy ny kianja ho an’ny baolina kitra sy ny basikety na efa manana aza izy ireo. Havaozina  izany. Hampanarahana fenitra kosa ny tsena eny Analamahitsy.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique