Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Africa womens seven’s”: nahazo tsodrano ny Makis

“Africa womens seven’s”: nahazo tsodrano ny Makis

Nanainga, omaly ary nandeha nihazo an’i Tonizia, ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona fito, na ny “Africa womens seven’s”. Miisa 12 mirahavavy izy ireo, no hiatrika izany, ny asabotsy 12 sy ny alahady 13 oktobra, ho avy izao. Nialoha ny niaingany, naka ny tso-drano, tamin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, teny Ambohijatovo, izy ireo, omaly. Ny sekretera jeneraly, Ralaivao Lovatiako no nisolo tena ny minisitra tamin’izany izay nanolotra vatsin-dalana, ho an’ireo mpilalao ary koa manantena vokatra tsara ho avy amin’ny Makis de Madagascar.

Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, fa zava-dehibe ity fifaninanana ity satria handeha hiatrika ny lalao olympika (JO 2020), hatao any Japon, izay ho tompondaka. Ankoatra izany, hahafahana miatrika ny “circuits mondiaux”, amin’ny taona ho avy koa, ny fandrombahana ny ho tompondakan’i Afrika. Tsiahivina fa laharana fahatelo, ny Makis, tamin’ny taon-dasa. Firenena 12 no hiady ho lohany amin’ity. Miray vondrona amin’i Maraoka sy i Tonizia ary i Maorisy, ny Makis de Madagascar. Tokony, hiara-hiainga amin’ny delegasiona malagasy, ny filohan’ny Malagasy Rugby, saingy tsy neken’ny “consulat de France”, ny fanavaozana ny “visa de circulation”-ny ka voatery miandry ny pasipaora maitso.

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique