Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Basikety – Fifaninanam-pirenena : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy U14 lahy sy vavy/Vétéran, tany Mahajanga ary ny U16 lahy sy vavy tany Manakara. Ho an’ny tany Mahajanga, isan’ny nisongadina ny ekipan’ny Ascut, Lucadro, Asbb, teo amin’ny U14. Nampiseho ny heriny kosa ny Cospn, ny Mmbc sy ny Asf ho an’ny sokajy Vétéran, nandritra izay telo andron’ny fifanintsanana izay. Tsiahivina, hanomboka ny 12 oktobra izao any Toliara kosa, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy latsaky ny 18 taona, haharitra hatramin’ny faha-20 oktobra izao izany. Ekipa goavana hifandona amin’ity U18 ity, ny Mb2All sy ny Cospn.

 

Kick Boxing – Tompondaka eran-tany : Efa notaterina teto, handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, tanterahana any Sarajevo Bosnie Herzegovine, ny 19 hatramin’ny 26 oktobra izao isika Malagasy. Taorian’ny fampivondronana natao tany Fianarantsoa, eto an-drenivohitra no hanohy ny fanomanantena izy ireo mialoha ny hiaingana, izay raha ny fantatra, tsy hisy ady fitsapana intsony fa fanarahana akaiky fotsiny azy ireto sisa no ataon’ny teknisiana. Tsiahivina, solontena enina mianadahy no hisolo tena an’i Madagasikara, hahitana an’Andriamiarisoa Miora (V), 52 kg K1, i Justin Zafy Mariamo (L), 54 kg K1-Lowkick, Randriamasiniaina Vladis Onsmane Duco (L), 57 kg K1, Rafanomezantsoa Tahiry (L), 57 kg Lowkick, Andriamampianina Mathieu (L), 51 kg K1-Lowkick ary Ranaivoson Jessy (L), 60 kg Lowkick.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique