Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: efa nitarika fa mbola resin’ny CNaPS ny Cosfa

Rugby – «Gold Top 20»: efa nitarika fa mbola resin’ny CNaPS ny Cosfa

Tontosa, ny asabotsy 5 sy ny alahady 6 oktobra, lasa teo teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka  ny andro faharoa, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Gold Top 20”. Nisongadina ny fandresen’ny CNaPS Sport ny Cosfa, tompondakan’i Madagasikara 2018. Resin’ny trano fihariana, tamin’ny isa, 33 no ho 17 ny Bebaoty, tamin’ity. Tsy nisy nanam-po satria efa nitarika an’isa ny Cosfa teo am-pialan-tsasatra no nihoaran’ny CNaPS, teo amin’ny tapa-potoana faharoa. Ankoatra izay, mbola tojo faharesena fanindroany indray ny Tam, izay niondrika teo anatrehan’ny 3FAI, tamin’ny isa, 45 no ho 39. Nomontsanin’ny 3FB, 57 no ho 28 kosa ny FTBA ary tamin’ny isa tery, 32 no ho 30 no nandresen’ny 3F5 ny FTA. Tfa nanilika ny VTMA, 67 no ho 8 ary lavon’ny TFMA, 30 no ho 16 ny XV Avenir. 24 no ho 18 kosa ny nanilihan’ny US Ikopa ny Uscar. Hitohy, amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao indray ny andro fahatelo.

 

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique