Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lasa tanàna kamboty tsy misy mpiahy Antananarivo : natsinkafon’ny kandidà Naina A. ny tsy fahaiza-mitantana

Lasa tanàna kamboty tsy misy mpiahy Antananarivo : natsinkafon’ny kandidà Naina A. ny tsy fahaiza-mitantana

Nanao fanambarana lehibe ny kandidàn’ny IRK eto Antananarivo  Renivohitra, Andriantsitohaina Naina,  omaly. Natsinkafony tamin’izany ny tsy fahaiza-mitantana, niteraka ny fahapotehan’ny tanànan’Antananarivo, ireo olana sedrain’ny  mponina vokatr’izany…  Miantso fifanomezan-tanana koa anefa ny tenany, hanavotana ity tanàna  iombonana ity

Notsiahivin’ny kandidà Andriantsitohaina Naina tamin’izany fa, mihavery hatrany ny soatoavina malagasy. Lasa tsizarizary ny fiarahamonina. “Tsy misy intsony ny fifanajana sy ny firaisankina. Manjaka ny fitiavan-tena sy ny tombontsoa manokana. Lasa tanàna kamboty tsy misy mpiahy Antananarivo”, hoy izy tamin’ny fanambarana  nataony tamin’ny  haino aman-jery. Nanteriny fa miaina anaty tahotra sy tsy fandriampahalemana ny mponina.  Notanisainy tamin’izany fa miaina tanetraka ao anatin’ny aizina  Antananarivo. Sempotra tanteraka ao anaty loto sy ny fako. Mijaly ao anatin’ny tondra-drano. Potika ireo fananana iombonana mampiavaka an’Antananarivo.  Tsy voakarakara ny sekoly. Very hevitra ary tsy misy mitsinjo ny tanora. Potika ny androany ary nihemotra taonjato iray Antananarivo. “Tsy mendrika izany ity tanàna  ity. Aoka izay ny fanararaotana sy ny tsindrihazolena. Aoka izay ny kolikoly, ny fivarotana ny tanin’ny kaominina”, hoy ihany ny kandidà laharana fahefatra. Manoloana ireo rehetra ireo no  nilazany fa tonga ny fotoana, hanavotana an’Antananarivo, hitondrana fanovana, fandrosoana, fahazavana, fahadiovana, filaminana. Antananarivo mahatehonina.

Miantso fifanomezan-tanana  sy hanova

Niaiky anefa ny tenany fa tsy ho mora izany ka mila misikina.  Ilaina ny ezaka avy amin’ny tsirairay. Mila mahay mifanaja satria ny soa iombonana no atao laharam- pahamehana. Mila ovaina ny fomba fisainana ary tsy tokony ho kivy, araka ny nambarany. Nohitsiny fa tsy voaozona akory isika Malagasy ka nanaovany antso avo izany.  “Ny  antoko politika,  fikambanana,  mpandraharaha, olon-tsotra… Ndao hifanome tanana hiara-kientana sy hiara kiasa hanova ny fiainantsika, ny fisainantsika, ny tananatsika. Tsy adidiko izaho samirery izany fa adidintsika. Izaho sy ianao. Ndao harenintsika miaraka ny tanantsika. Tsy anavahana na iza na iza. Na finonana, na fiaviana, ny firehana. Aoka izay ny fizararazana. Hifanome tanana isika hamerina ny hasin’Antananarivo sy ny mponina. Antananarivo tanantsika !”, hoy ny kandidà Andriantsitohaina Naina.

Nihaino ny hetahetan’ny mponina

Nitohy teny amin’ny boriborintany I ny fidinana ifotony nataon’ny kandidàn’ny IRD, Andriantsitohaina Naina,  omaly. Nihaona tamin’ny mponina sy nihaino ny hetahetan’izy ireo teny  Antanimena, Antohomadinika, Ambodin’Isotry, Anatihazo, Ampefiloha, Manarintsoa ary  Ampatsakana ny tenany. Nambarany tamin’izany fa hohamafisina ny  asa tana-maro. Eo koa ny hametrahana ny toerana manokana ho an’ny tsena sy ny fandaminana ny fifamoivoizana. Havaozina  ny vakoka manan-tantara, tahaka ny Fasan-dRainiharo. Hohamafisina ny fitandroana ny filaminana eny anivon’ny kartie. Anisan’izany yn fametrahana polisy manakaiky vahoaka. Harindra ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana sy ny polisy monisipaly.

Etsy andaniny, ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny kartie  sy ny fametrahana ny fifampitokisana eo amin’ny mponina sy ny sefo fokontany.

Manampy ireo ny hijerena ny lakan-drano etsy Antohomadinika sy ny Total. Ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany sy  ny fanatsarana ny tetezana fiampitana rehetra. Eo koa ny fanazavana ny tanàna.  Hohatsaraina ny sekolim-panjakana, toy ny etsy Antanimena  I. Manampy ireo ny fikarakarana fifaninana fanatanjahantena : rugby, kitra, tsipy kanetibe… ary ny fotodrafitrasa ho an’izany.  Nisy ny fanomezana fitaovana  ho an’ny fanadiovana ho an’ny fokontany sy ny dabam-pako tamin’izany.

Synèse R.   

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique