Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Antoniny indray ny tsiokan-drivotra alizay eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao fa hihena ny heriny, manomboka ny alakamisy ho avy izao. Vokatr’izany, halefaka na hatevina indraindray ny rotsakorana any amin’ny faritra Sava, Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy fitovinany. Handrahona kosa ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany fa mety harahina erika mahalana any Mangoro sy ny ilany Atsinanan’Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, sy Matsiatra Ambony ary Ihorombe ato anatin’ny roa andro voalohany. Hanorana hiendrika tandrifin-drahona any Bongolava sy Miandrivazo.

Tsy miova loatra ny maripana fa hiakatra miandalana ny tarehimarika ho amin’ny afovoan-tany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy, manomboka ny rahampitso. Notombanana hanodidina ny  24°C ny maripana ny maraina ary manodidina ny  35°C ny tolakandro.

Nampitaraina ny mpampiasa lalana indray ny fitohanan’ny fifamoivoizana, omaly, saika manerana ny faritra maro teto an-dRenivohitra. Ankoatra ny fanamboara-dalana, nanampy trotraka ny fahavakisan’ny fantsona mpitondra rano teny Ankorondrano (manakaiky ny orinasa Henri Fraise) ka nanapahana ny lalana mihazo an’Ankorondrano midina avy ety Antanimena. Voatery nihodina taty Ankadifotsy ny fiara rehetra hidina any Ankorondrano.

Vahaolana ny fialana ora maromaro mialoha raha hamonjy fotoana lavitra. Tsy vitsy koa ny mandeha an-tongotra.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique