Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

An-kitsim-po: tsy misy ny andrana asa

Maro ny laharam-pahamehana enjehin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao. Voakasik’izany avokoa ny sehatra tsirairay, saingy mila fandinihana lalina ny mandahatra azy ireny, satria voafetra ihany koa ny hoenti-manana. Na izany aza, ambetin-tenin’ny filoha Rajoelina, indrindra rehefa mihaona amin’ny mpikambana ao anatin’ny governemanta, izay mpanatanteraka ny politikan’ny fanjakana, ny tenany, mandritra ny filankevitry ny minisitra, ny hanomezan-danja ny asa miantraika mivantana amin’ny vahoaka. Voakasik’izany, ny vidin-javatra andavanandro (PPN), ny vidin-tsolika, ny famatsiana herinaratra sy ny rano, ary manampy ireo ny fandriampahalemana.

Miara-dalana miaraka ireo, ary maika. Tsy natao ho an’ny tompon’andraikitra, indrindra ny olom-boatendry vao mianatra asa, na manao andranasa, fa natao ho an’izay tena mahavita asa  ahazoam-bokatra. Tsy misy kinamanamana, tsy natao hamenoana paosy, tsy ijerena loko mpiray antoko. Fa hotsaraina amin’ny vokatra mivaingana, fa tsy vitan’ny tatitra am-bava tsy maharesy lahatra.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique