Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HITSY TORAKA

Fitiavana io !

Miezaka mafy, manao izay tratry ny heriny avokoa ny tsirairay, amin’ny fampandrosoana ny taranja isanisany. Ao ireo manao izany amin’ny fitiavana ka mikiry mandany ny herim-pony sy ny herin-tsainy ary ny herim-batany, mba ho mpandresy. Vitsy ihany anefa ny toa izany, raha mitaha amin’ireo, izay tsy mitsinjo afa-tsy ny tenany, ihany.

Miseho ho mahavita azy nefa misy ambadika politika goavana ny ezaka ataony. Mila tambiny amin’ny zavatra atao rehetra. Matetika, olona mahay mandaha-teny sy be resaka izy ireny ka ny asa ataony vitsy noho ny kabary ambony vavahady, ambarany. Tsy manam-pitiavana fa tsy maintsy mitetika tombontsoa, hatrany. Vokany, lasa ny atleta no tohatra fiakarana. Mitsentsitra ny hatsembohan’ireo tena mangana, eny ambony kianja. Voakasik’izany avokoa, na mpanazatra na kapitenin’ny ekipa, na raiamandreny, na mpitantana. Fitiavana tombontsoa, no mibahana eo aminy, fa tsy fitiavana hampivoatra ny taranja na hampisongadina ny atleta. “Samy manana ny fitiavany marina, io”, hoy ny mpijery. Fitiavana, mamoaka vola am-paosy, hampiroborobo ny an’ny hafa. Fitiavana hameno paosy sy hangoronan-karena, kosa ho an’ny sasany.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique