Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filoha Rajoelina Andry: “Hisy “2e session” ny fanadinana bakalorea”

Filoha Rajoelina Andry: “Hisy “2e session” ny fanadinana bakalorea”

Nivoaka amin’ny fanginany manoloana ny  raharaha mafampana eto amin’ny firenena ny filoha, Rajoelina Andry, omaly. Voaresaka  ny lafiny fandriampahalemana, ny  fifandraisana amin’ny any ivelany ary koa ny raharaha momba ny fanadinana bakalorea.

Hentitra ny filoham-pirenena. “Fanakorontanan-tsaina ny famerenana ny fanadinana bakalorea.  Vahaolana :  Andrasana ny valin’ny fanadinana. Arahaba soa ireo afaka.  Hisy “2e session” manokana kosa  ho an’ireo tsy afaka. Efa nisy teto izany, saingy nofoanana ka mamerina ireo tsy afaka amin’ity indray mandeha ity…”, hoy  ny filoha Rajoelina. Nanteriny fa hiatrika izany “2e session” izany ireo tsy afaka noho ny fikorontanana teo amin’ny fikarakarana ny fanadinana sy  ny laza adina nivoaka mialoha.

Nanteriny koa anefa fa tena  fanakorontanana  tsotra izao iny resaka fanadinana bakalorea iny ary nanondro ny anisan’ny tompon’andraikitra tamin’iny ny tenany. Nisy “proviseur” any Imerintsiatosika. Misy koa mpanabe tratra… “Natao ny fanadihadiana sy ny fisavan’ny mpitandro filaminana tany an-tranony ka tratra tao ny laza adina maromaro sy nandefasana azy sy ny nandray azy. Ny namoahana izany amin’ny tambajotran-tserasera… Mpikambana amin’ny antoko mpanohitra ankehitriny izy io. Tsy maintsy sazina araka ny lalàna ny tompon’andraikitra…”, hoy  izy.

Famotsoran-keloka

Nitondrany vahaolana koa ny momba ny fahamaroan’ireo voafonja ka anisan’izany ny fanafainganana ny fitsarana ireo nanao heloka  madinika. Hojerena tsirairay ny antontan-taratasin’ireo tsy  nanao heloka bevava : tsy  namono olona  na nangala-bolam-panjakana..  Hisy tany hambolena sy fampianarana  asa koa ho an’ireo voafonja… “Mba manana asa refa mivoaka ny fonja… Ny hafa  kosa, havoaka hanao lalana sy ho eny an-tsaha… Hatao ny famotsoran-keloka faobe  ary hatsangana ny fonja  vaovao…”, hoy izy.

Ankoatra izany, naneho ny alahelony momba ireo vehivavy malagasy miasa any ivelany iharan’ny vono sy fanolanana na  koa lasa mivaro-tena ny filoha… Anisan’ny isehoan’izany koa anefa ny fanararaotam-pahefana atao amin’ny vehivavy eny amin’ny seranana Ivato.  “Mandoa  vola  vao afaka mandeha any ivelany… Tsy mora ny mitantana izany satria misy fahazarana teo aloha ary misy tsy mahazaka ny  fanovana ataontsika. Ka ho avy eny ivato aho hijery akaiky ny momba izany”, hoy ny filoha.

Mitsikera nefa tsy  mahavita asa ny  sasany…

Notsiahiviny koa ny sivy volana nitondrany tao amin’ny fifandraisana irasam-pirenena. Anisan’izany ny fitakiana ireo Nosy manodidina amin’i Frantsa. Ny nitsidihan’ny Papa Fransoa sy ny filohan’i Roanda, i Paul  Kagame teto amintsika.

Eo amin’ny fandriampahalemana  kosa, ny nahazoana angidimby sy fiaramanidina hiadiana amin’ny dahalo.  Ny fanamboaran-dalàna :  RN44, Ambilobe-Vohémar… “Miasa aloha  isika vao mikabary  fa tsy tahaka ny sasany mitsikera nefa tsy  misy asa vita…”, hoy izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.