Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikambanan-jiolahy – Fanaovana vola  sandoka: Kaomisera iray voaheloka higadra asa an-terivozona 12 taona

Fikambanan-jiolahy – Fanaovana vola  sandoka: Kaomisera iray voaheloka higadra asa an-terivozona 12 taona

Gadra an-terivozona 12 taona, miampy fandoavana lamandy mitentina 400 tapitrisa Ar mahery. Izany no sazy nanamelohan’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), ny kaomisera iray sy ny tompona  trano printy, voarohirohy ho nanao vola sandoka sy fikambanan-jiolahy

Mbola  polisy indray koa. Nitohy, omaly, ny fiakaran’ny raharaha fanamboarana vola sandoka  sy ny fananganana fikambanan-jiolahy.  Afaka noho ny fisalasalana  ireo  enina hafa ahina ho mpiray tendro raha nidoboka am-ponja, migadra 12 taona, asan-terivozona ny kaomisera iray sy ny tompon’ny trano  printy, nanontana ny vola  sandoka mitentina 451 tapitrisa Ar mahery. Nodidin’ny Pac handoa onitra amin’ny fanjakana,  eny anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara handoa onitra  mitovy amin’io vola sandoka nataon’izy ireo koa ireo  olona roa ireo  (451 tapitrisa Ar).

Polisivavy sy olona akaikin’ny depiote 

Tsiahivina  fa mbola  raharaha fanaovana vola sandoka sy fikambanan-jiolahy  koa  no notsaraina, afakomaly, teo  anivon’ny Pac. Anisan’ny  tsy afa-bela tamin’izany ny polisy vavy iray sy  ny  mpanampy  ny  depiote “Assistant” parlemantera   iray teo aloha,  avy any  Soavinandriana  Itasy. Niharan’ny sazy  koa  ilay tompon’ny “cyber” nanamboarana  izany vola  sandoka izany. Maherin’ny 100  tapritrisa Ar eo ho  eo ny volabe namboarin’izy  ireo. Nodidin’ny Pac handoa  izany vola  be  izany amin’ny fanjakana  koa ireo voasazy  ireo.  Dimy hafa voarohirohy tamin’izany  kosa nohafahan’ny  Fitsarana.

Mpitantam-bola eo anivon’ny IDBM

Mbola  hitohy, anio, indray ny raharaham-pitsarana  etsy 67 ha  ka raharaha maha  voasaringotra tompon’andraikitra mpitantam-bola eo  anivon’ny IDBM  indray no anisan’ny hotsaraina amin’izany. Ahina ho voarohirohy amin’ny  fanodinkodinam-baolam-panjakana kosa  indray  izy io.

Tsiahivina fa hifarana ny asabotsy  izao,  ity andiany fahatelo amin’ny fitsarana  ireo fanodinkodinam-bolam-panjakana na kolikoly ity. Araka  izany, andrasana ny momba  ireo ambara  fa trondro vaventy momba izany.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique