Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – “Alley Hoop U23”: ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana

Basikety – “Alley Hoop U23”: ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana

Hotanterahina ny alahady 6 oktobra izao, etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana “Alley Hoop”, basikety 3×3, sokajy U23 lahy sy vavy, karakarain’ny Rdj. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana  satria ankoatra ny lalao hifanandrinan’ireo ekipa tafakatra, hisy ny fanantenana sy fifaninanana “tir à 3 points”. Tsy ambakan’izany, ny dihy sy ny seho miaraka amin’ny mpanakanto maro. Tsiahivina, fantatra ny 22 septambra teo ireo ekipa 8 lehilahy sy vehivavy 4 hiatrika ity dingana famaranana ity. Mahakasika izay indrindra, efa fantatra ny fandaharan-dalao ka hifandona, eo amin’ny sokajy lehilahy, amin’ny ampahefa-dalana, ny Jangobola sy ny Team Gnbc, ny The killer sy ny Rookie, ny Asb sy ny Scrappers ary ny Atbc sy ny Gnbc. Ho an’ny sokajy vehivavy, ny lalao manasa-dalana no mirafitra ao anatin’ny fandaharan-dalao izay hihaonan’ny Normales sy ny Les Guerrieres ary ny Team Black sy ny Sebam.

Araka ny fandaharan-dalao hatrany, amin’ny 9 ora maraina no hanomboka ny fifaninanana, ho an’ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalana, ny hariva kosa no hanaovana ny lalao famaranana. Loka goavana no miandry izay tompondaka amin’ity lalao karakarain’ny Rdj ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.