Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsiranana: nosalorana samboady  ireo  depioten’i Diana

Notanterahina ny  faran’ny herinandro  teo tao amin’ny Place Ritz eto Antsiranana ny lanonana fametrahana ny samboadin’ireo solombavam-bahoaka voafidy tato amin’ny faritra Diana. Miisa enina mianadahy izy ireo izao napetraka amin’ny fomba ofisialy amin’ny maha olom-boafidy azy izao. Anisan’izany  ireo roa voafidy tao Antsiranana I, sy iray avy voafidy tao Antsiranana II, Ambilobe, Ambanja ary Nosy-Be.

Tonga nanatanteraka izany tany an-toerana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nanotrona izany ny minisitry ny Atitany Razafimahefa Tianarivelo sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena  (Seg),  ny Jly Ravalomanana Richard, miaraka amin’ireo solombavam-bahoaka vitsivitsy.

Hitohy any amin’ny faritra hafa ny hetsika fametrahana samboady ireo depiote  voafidy farany teo,  iarahana amin’ny  filohan’ny Antenimierampirenena. Efa nahavita ny azy  kosa  ny any amin’ny faritra hafa, toy  ny  tany Atsimo Atsinanana sy ny tany amin’ny faritra Sofia.

Synèse  R. 

 

Les commentaires sont fermées.