Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 

Tovolahy iray 20 taona no naiditra am-ponja vonjimaika, ny alakamisy teo. Araka ny fantatra, nihanika tambohon’olona izy ka tsikaritry ny tompon-trano ary nifanenjehana. Taorian’ny fisamborana azy, fantatra fa voasaringotra amina vaky trano teny Andranomanalina ity lehilahy ity, ny novambra 2018, nahaverezana vola 3 tapitrisa Ariary sy entana hafa.

Mpanendaka iray nidoboka vonjimaika am-ponja rehefa tratra nanendaka finday tamina vehivavy mpianatra miisa roa teny Besarety. Nokarohin’ny polisy ity jiolahy ity, voasambotra ny alakamisy teo teny amin’iny faritra iny ihany. Efa namidiny 20 000 Ar teny Andravoahangy ilay finday.

Les commentaires sont fermées.