Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: 28, 61 % ny taham-pahafahana BEPC

Toamasina: 28, 61 % ny taham-pahafahana BEPC

Nidina tanteraka ary saika tamin’ny antsasaky ny tamin’ny taon-dasa 40% ny taham-pahafahana BEPC tamin’ity taona ity, tsy nisy afa-tsy 28,61% monja. Na izany aza, nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, i Marolahy Joseph, fa mbola nisy ny mpianatra nahazo ny salanisa 17,77/20. Mpianatra teo amin’ny sekoly CEG de référence ny voalohany. Mpianatra tao amin’ny kolejy tsy miankina Stellas Maris ny faharoa, nahazo salanisa, 17,61/20,  ny sekoly Radama I ny fahatelo, nahazo salanisa 17/20. Raha ny teo amin’ny taranja tsirairay kosa, ambany dia ambany ny naoty teo amin’ny taranja kajy, saingy mbola nisy mpiandina miisa 10 nahazo 60/60 teo amin’ny taranja fizika raha miisa 16 ny nahazo naoty 59/60 tamin’izay taranja fizika izay hatrany. Nambaran’ity tomponandraikitra ity ihany fa antony telo lehibe ny nahatonga ny faharatsian’ny voka-panadinana: voalohany ny fitokonan’ny mpampianatra tamin’ny taon-dasa. Ireo mpianatra nisendra izay fitokonana izay ireo niakatra kilasy 3ème ireto ka nanao fanadianana tamin’ity taona ity. Antony faharoa ny fahalavan’ny fotoam-pianarana ary fahatelo ny vokatry ny “facebook” mahasarika ny zatovo maro.

Sajo

Les commentaires sont fermées.