Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – “Chan 2020”: matoky ny Barea de Madagascar i Nicolas Dupuis

Kitra – “Chan 2020”: matoky ny Barea de Madagascar i Nicolas Dupuis

 

Hifantoka amin’ny lalao mandroso, fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Chan 2020), ho an’ny mpilalao tsy matihanina, ny sain’ny rehetra, amin’izao faran’ny herinandro izao. Ny Barea, hifandona amin’ny Brave Warriors, Namibia.

Handray ny Brave Warriors avy atsy Namibia, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, rahampitso alahady, ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadian-toerana hiatrehana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, taranja baolina kitra na ny “Chan 2020”.

Fihaonana mandroso hanana ny lanjany tokoa satria mila mandresy amin’ny elanelan’isa roa ny Malagasy, hahafahana miatrika am-pilaminana ny fihaonana miverina, araka ny nambaran’Andriamanarivo Francklin, mpanazatra, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy Ambohidahy.

Ankoatra izay, tsy nanafina i Nicolas Dupuis, tale teknika nasionaly, fa matoky tanteraka ny Barea de Madagascar ny tenany. “Manana fanantenana betsaka aho ary matoky fa ho tafita ny Barea raha milalao amin’ny fomba mahazatra azy. Manolo-kevitra aho fa tsy manao fanerena”, hoy izy.

Nanamarika i Francklin fa hilalao tsy amin-tahotra ary ao anaty filaminan-tsaina tanteraka ny Barea, rahampitso. Nasiany fanazavana ny amin’ny mpiandry tsatoby, nisian’ny fanakianana betsaka taoria’ny lalao tany Mozambika. Efa nisy ny fanamboarana ary samy ao anatin’ny heriny avokoa izy telo mirahalahy nantsoina. Tsy mbola fantatra kosa izay ho tena tompon-toerana, amin’ny alahady, araka ny nambarany.

Salama tsara avokoa ireo mpilalao, amin’izao fotoana izao, afa-tsy i Tsito, izay mbola nasain’ny mpitsabo miala sasatra kely, na efa nanao fanazarantena aza, omaly.

 

Tompondaka

Ireo mpilalao 23 mandrafitra ny Barea

 

-Mpiandry tsatoby

Leda (Cnaps); Joma (Jet Mada); Ando (Cnaps)
-Vodilaharana

Toby (Cnaps); Patrick (Ajesaia); Théodin (Fosa); Jean Martin (Adema); Berajo (Zanakala); Rojo (Ajesaia); Tsilavina (Elgeco Plus); Ronald (Cnaps)
-Irakiraka

Ando (Cnaps); Richard (Jet Mada); Lôlôdy (Fosa); Baggio (Fosa); Safidy (Elgeco Plus); Tsito (Jet Mada); Lalaina (Cnaps); Jean-Yves (Fosa)
-Lohalaharana

Besna (Fosa); Arnaud (Cnaps); Eliot (Zanakala); Mihary (Cnaps)

 

Les commentaires sont fermées.