Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana kaominaly : hanampy 2 tapitrisa dolara ireo mpiara-miombon’antoka

Mahatsapa ny fahatomombanana sy ny filaminan’ny zotra anomanana ny fifidianana kaominaly ireo mpiara-miombon’antoka ka naneho ny fankasitrahany an’i Madagasikara. Io ny anisan’ny nifantohan’ny fiaraha-midinika faha-16 teo amin’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, andaniny; ankilany, ny mpiara-miombon’antoka momba ny fampandrosoana, notarihin’ny mpandrindra maharitry ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana, i Violette Kakyomya, teny Mahazoarivo, afakomaly.

Eo amin’ny tetibola amin’ny fikarakarana izay fifidianana izay, volam-panjakana no ampiasaina. Na izany aza, misy ny fanampian’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny alalan’ny tetikasa Sacem: 2 tapitrisa dolara. Amin’izay ihany, mifarimbona ny Ceni sy ireo minisitera voakasika amin’ny asa fanatanterahana, ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana, ary ny fitsarana.

Ho voarafitra tsy ho ela ny drafi-pampandrosoana PEM

Nodinihina koa ny Programanasa ho fisandratan’i Madagasikara (PEM), teti-pampandrosoana araka ireo vina napetraky ny filohan’ny Repoblika hotanterahina ao anatin’ny dimy taona. Hanohana an’i Madagasikara amin’izany ireo mpiara-miombon’antoka. Mitohy ny fakan-kevitra hijerena ireo laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana. Na eo anivon’ny firaisamonina sivily izay, na eo amin’ny sehatra tsy miankina. Horaisina raha misy ny fanamarihan’ireo mpiara-miombon’antoka, ary harafitra tsy ho ela izay drafi-pampandrosoana izay.

Tsy ho foana ny PSE amin’ny fanabeazana

Nitondra fanazavana ny fanarenana ny fanabeazana ny praiminisitra. Maro amin’ireo mpiara-miombon’antoka no hanampy amin’ny fanatanterahana ny Plan sectoriel de l’education (PSE). Araka izany, nanamafy izy fa: “Tsy hofoanana akory ny PSE, saingy hampifanarahana amin’ny vina apetraky ny filoham-pirenena sy ny zavatra takin’ny vanim-potoana misy mba hanatrarana ireo tanjona napetraka.”

Nohamafisiny fa hahazoana mampahafantatra ny fandaharanasa hanatanterahana ireo vinam-pampandrosoana amin’ny sehatra rehetra ny fisian’ny fifanakalozan-kevitra toy izany.

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.