Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiarovana ny tontolo iainana: hanohana asa efatra ny Fondation Telma

Hifanohana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny FondationTelma. Hifototra amin’ny dingana efatra ny fiaraha-miasa, natao sonia omaly teny Antsahavola teo amin’ny minisitra Alexandre Georget sy ny tale mpanatanteraka ny  Fondation Telma, i Isabelle Salabert. Asa voalohany ny fanabeazana hikajy ny tontolo iainana any an-dakilasy. Efa manana ny sekoly Telma 68 ny Fondation miara-miasa aminy ka hisantarana ny fanentanana izy ireny miaraka amin’ny tanora sy ny skoto. Hiitatra amin’ny fokonolona eo an-toerana ny hetsika. Hamboly zana-kazo hitondra tombontsoa ho an’ny ankizy ny mpiandraikitra ny fanentanana: ohatra ny moraingy (ananambo) izay mitondra otrikaina betsaka.

Hanampy amin’ny fitantanana fako ny Fondation amin’ny tetikasan’ny minisitera hanodina fako. “Any Manandrina, any Toamasina ary any Antsiranana no hametrahana ny fotodraftirasa manodina fako ka hitondra anjara biriky ny Fondation”, hoy ny minisitra. Ho vita tsy ela ireo ivontoerana ireo. Zava-dehibe koa ny fambolen-kazo ka hatomboka ny volana novambra ny fampiasana ny “drone” sy ny fitaovana fiaramanidina mandatsaka ny voan’ny hazo hambolena avy eny ambony. 800 000 kosa ny zana-kazo hatsatoka hatramin’ny faran’ny volana oktobra. 20 ny orinasa miara-miasa amin’ny minisitera miaro ny tontolo iainana. Mbola olana ny fifehezana ny doro tanety satria tsy mihatra ny lalàna. Handeha any La Réunion ny minisitra hijery ny fiaramanidina mpamono afo any an-toerana ka hidinika ny hametraka fitaovana, tahaka izany, eto amintsika. “Ho mora kokoa ny famonoana ny afo sady haingana ny fidirana an-tsehatra raha amin’ny fiaramanidina no atao ny asa”, hoy izy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.