Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famohazana kolontsaina: ampianarina ny velombaliha telo

Sambany eo amin’ny tantaran’ny fampianarana valiha ! Tsy nahay naoty ny Malagasy kanefa nahavariana fatratra ny vahiny ny fomba nentiny nitendry ny valiha. Niankina tamin’ny antsoina hoe « velombaliha » ny nahaizany izany. Samy nanana ny velombalihany ny tsirairay fa telo kosa no niraisana, matetika. Ny « lalandava », ny « maty dimy » ary ny « maty sivy ». Mba tsy hahavery azy ireo, nanapa-kevitra ny foibe fampianarana sy fikarohana, ny Valiha Academie, fa hampianatra ireo velombaliha ireo.

« Misy fifamatorany lalina amin’ny fiainan’ny Malagasy (Ny fanahy no olona) ireo velombaliha ireo. Izany hoe, mitahiry fahendrena goavana sy fahalalana ara-panahy tsy voarefy. Noho izany, ilaina ny mamelona azy indray », hoy ny tomponandraikitry ny fampianarana eo anivon’ity foibe ity.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.