Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady totohondry – “Lalao Olympika”: efa manomboka etsy Ampefiloha ny fanomanantena

Efa tena anatin’ny fiomanana tanteraka, amin’ny “Lalao olympika” hotanterahina amin’ny taona 2020, amin’izao fotoana izao, ireo mpikatroka malagasy, taranja ady totohondry. Misy 14 mianadahy, sivy vavy sy dimy lahy, izy ireo, ny mivondrona etsy amin’ny ANS Ampefiloha. Araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy, Rabarison Hery Mamy, dimy vavy sy telo lahy ny hotsongaina amin’izy 14 mianadahy ireo, hisolo tena ny taranja ady totohondry any amin’ny “Lalao olympika” any Tokyo izay nohamafisiny hatrany fa tena mampamiratra an’i Madagasikara ity taranja ity ka tokony hampitomboana ny isan’ny mpikatroka mandray anjara amin’ny fifaninanana goavana toy itony.

Ankoatra izay, nitondra fanazavana mahakasika ny fanatanterahana ny fifidianana ihany koa andriamatoa Rabarison Hery Mamy. Nambarany, nandritra izany, fa tsy misy tokony hialan’izy ireo eo amin’ny fitantanana sy ny hanaovana fifidianana raha toa ka tsy mbola mitsangana amin’ny fomba ofisialy indray ny Aiba. Ity farany izay naato tamin’ny asany ary niato, niaraka tamin’izay, ihany koa ny federasiona rehetra eo ambany fiahiany. Taorian’izay, natsangana ny “Task Force” izay Rabarison Hery Mamy no voatendrin’ny Komity olympika iraisam-pirenena sy ny Komity olympika malagasy hitantana sy hampandeha ny raharaha eo anivon’ny federasiona, mandra-pahatonga ny Lalao olympika amin’ny taona ho avy.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.