Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Kitra – « Chan » : Nanomboka ny fanazarantena voalohany, tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, omaly, hanomanana ny lalao hatrehiny manoloana an’i Namibia, ny alahady izao, ny Barea an’i Madgasikara. Talohan’izay, efa nisy ny lalao maro natrehina, isan’izany ny fihaonana tamin’ny AS Adema, ny faran’ny herinandro teo. Marihina fa efa niala, omaly maraina teny Vontovorona, ireto mpilalaon’ny Barea hiatrika ny dingana fahatelo amin’ny fifanintsanan’ny « Chan » ireto ary miara-mipetraka etsy amin’ny Ivotel Ambohidahy avokoa hanamorana ny fandaminana ny fanomanantena.

 

Basikety 3×3 « Alley Hoop » : Hanomboka, anio etsy amin’ny Parking, ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana taranja basikety, lalaovin’olona telo, antsoina hoe « Alley Hoop ». Hanombohana izany eo amin’ireo ekipa 86 nisoratra anarana ny lalao fifanintsanana. Vonona ny hiady avokoa ireo ekipa ireo ary tena hafana ny lalao rehetra, araka ny voalazan’ny mpikarakara ity hetsika ity. Tsiahivina hatrany fa hihazo an’i Botsoana ary hahazo loka marobe ireo ekipa mendrika amin’ity fifaninanana ity.

 

Mi.Raz

 

 

Les commentaires sont fermées.