Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Filaharana maneran-tany: niakatra laharana faha-95 ny Barean’i Madagasikara

Kitra – Filaharana maneran-tany: niakatra laharana faha-95 ny Barean’i Madagasikara

Laharana faha-95 maneran-tany, amin’ny firenena miisa 211, ny misy ny Barean’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Io ny filaharana misy ny ekipam-pirenena malagasy, araka ny navoakan’ny Fifa farany teo. Manana isa 1249 isika eo amin’io filaharana io. Azo lazaina fa tsara ary mihatsara hatrany izany. Azo antoka fa taorian’ny fahombiazana azon’ny Barea tamin’ny fifanintsanan’ny Chan teo ny nahatonga izany. Hiankina tanteraka amin’ny vokatra manoloana an’i Namibia ho avy io ihany koa izany ny mety hampiakatra ho ambonimbony kokoa ity filaharan’i Barea ity.

Raha aty Afrika kosa, laharana faha-21 amin’ireo firenena 54 ny misy antsika, tsy nahitana fihetsehana firy raha mitaha ny tamin’ny filaharana farany. Ho an’ny aty amin’ny Cosafa indray, laharana fahatelo amin’ireo firenena 14 ny misy ny Barea ka ny Bafana Bafana Afrika Astimo no laharana voalohany ary faharoa ny Chipolopolo-n’i Zambia.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.