Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina    

Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, i Ntsy Christian, araka ny filankevitry ny minisitra afakomaly, no voatendry hisahana vonjimaika ny asan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Andriantsitohaina Naina, nametra-pialana noho ny firotsahany hofidina ho ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Nifarana, afakomaly, ny fisahanany ny andraikiny fa nankatoavin’ny Ovec tamin’io andro io ny firotsahan-kofidiny.

 

Tsy mbola voafaritra ny tetiandro hanatanterahana ny fanadinana fifaninanana hidirana ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG), araka ny nambaran’ny tale jeneraly, Ramarolahihaingonirainy Anthony. Ao anatin’ny fanadiovana ny sekoly amin’izao, raha tokony ho natao tamin’ny volana avrily ny fanadinana. Tsy eo amin’ny fifaninanana ihany no hodiovina fa amin’ny fampianarana ihany koa.

 

 

 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.