Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zaka tsara: fahamatorana politika…

Tato ho ato, nahabe resaka ny amin’ny fahavitsian’ny mpirotsa-kofidina amin’izao fifidianana kaominaly izao. Amin’izany, mbola ny tsy miankina ihany no maro anisa mitaha amin’izay atolotry ny antoko na vondrona politika.

Tsy matoky tena ny mpanao politika? Ny mahavalanina, ireo be tabataba amin’ny raharaham-pirenena isaky ny mihetsika indrindra no tsy misy afitsoka: tsy manana olona hatolotra amin’ny  fifidianana, manohana ny hafa…

Fitaovana itabatabana fotsiny ny antoko politika amin’izany? Raha tsy izany, fiandrasana kendry tohina amina fitondrana tetezamita… hahazoana toerana. Matahotra vahoaka amin’ny fifidianana tsinona ny ankamaroany.

Mahabe resaka koa ny hoe mila fanovana ny fomba fanaovana politika. Amin’ny fomba ahoana? Ny mpanao politika no mila miova ho amin’ny fahamatorana kokoa: mpilalao politika? Saika tsy araka ny vava ny atao.

R.Nd.

 

 

 

Les commentaires sont fermées.