Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Ady totohondry : Toy ny efa fanaony, nampiaka-peo indray, omaly ireo solontenan’ny ligy vitsivitsy, niaraka tamin’ilay mpanazatra iray, eo anivon’ny taranja ady totohondry. Fitakiana mahakasika ny tokony hialàn’ny mpitantana ny federasiona malagasy amin’ity taranja ity sy ny hanaovana ny fifidianana faran’izay haingana no nohamafisin’izy ireo, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Mahamasina. Nambaran’ireto mpitaky ireto fa efa tokony ho tamin’ny taona 2018 no nifarana ny fe-potoana nitondran’ireo mpitantana. Ankoatra izay, nampahafantatra ilay fankalazana ny faha 15 taonan’ny Cospn ihany izy ireo, izay hatao ny 8 hatramin’ny 12 oktobra izao any Mahajanga. Hisy ny ady hifanandrinan’ireo klioba maro manerana ny Nosy amin’io fankalazana io, raha ny fanazavana hatrany.

Kempo/MMA : Araka ny efa notanterina teto, miomana amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, taom-pikatrohana 2019, amin’izao fotoana izao, ny avy eo anivon’ny taranja Kempo sy MMA (Mixxed Martial Arts). Fifaninanam-pirenena izay kasaina hatao ny faha 5 ny volana oktobra izao ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Mialoha io fotoana io, hisy ny fampiantsoana ireo mpitsara, iray isaky ny klioba maniry hitsara, mandritra izany fifaninanana izany, hanatrika ny fampiofanana omen-dRakotonindriana Parfait, filohan’ny komity mpitantana ity taranja ity. Ny asabotsy izao no hanaovana ity fampiofanana izay hitsongana izay mendrika ka hitsara ity fiadiana ny tompondaka nasionaly, ny taranja Kempo sy MMA ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.