Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanana ny kaominina: olom-boafidy mpanolotsaina  ny filankevitry ny Tanàna

Fitantanana ny kaominina: olom-boafidy mpanolotsaina  ny filankevitry ny Tanàna

Ankoatra ny ben’ny Tanàna, manana  andraikitra amin’ny fampandrosoana eny  ifotony ny mpanolotsaina  eo anivon’ny filankevitra. Mazava ny voalazan’ny lalàmpanorenana momba izany, araka ny famaritana ny andraikitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Olom-boafidy mpanolotsaina  ny filankevitra ary manana andraikitra mazava.  Miasa amin`ny fivoriambe ampahibemaso ataony ao amin`ny lapan`ny Tanàna. Manapaka ny fitantanana ny Tanàna.

Fanendrena ireo tompon’andraikitra…

Eo koa ny fifidianana ny tetibolan’ny kaominina amin’ny lafiny fitantanana ny vola.  Mandany ny fitantanana ny vola amin`ilay taona mivalona. Ankoatra izany, manome alalana ny ben`ny Tanàna raha afaka mivarotra na tsia ny fananan`ny tanàna koa ny eo anivon’ny filankevitra. Manampy izany, tsy maintsy mandalo eo amin’izy ireo ny fitantanana ny mpiasa. Anisan’izany ny fanendrena ireo tompon’andraikitra ambony ao amin`ny Tanàna. Ohatra ny fanendrena ny  tale isan-tokony. Tsy miditra amin’ny fanendrena ny lefitry ny ben’ny Tanàna  kosa anefa izy ireo.

Afaka mampiato amin’ny asan’ny  ben’ny Tanàna

Ankoatra izany, afaka manontany ny momba ny fitantanana ny Tanàna tanterahin’ny ben`ny Tanàna koa ny filankevitra. Manana fahafahana hampihantona amin’ny asany ny ben`ny Tanàna koa izy ireo  raha mahita zavatra tsy milamina eo amin’ny fitantanana. Efa niseho  izany ohatra tany amin’ny fitantanana ny kaominina Toamasina I  sy ny ao Antsirabe, farany teo. Ampahany amin’ny rindran-damina sy ny fahefana nomena azy ireo eo anivon’ny fitantanana ny Tanàna ireo.

Tsiahivina   fa mizara roa ny fitantanana ny Tanàna. Eo ny fitantanan’ny mpanatanteraka, tarihin’ny  ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka. Fa eo koa  anefa filankevitry ny Tanàna ary lanim-bahoaka koa.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.