Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety 3×3: mandray anjara amin’ny “Alley Hoop” ny GNBC sy ny Mb2All

Basikety 3×3: mandray anjara amin’ny “Alley Hoop” ny GNBC sy ny Mb2All

 

Vita omaly, teny amin’ny “Parking” ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny antsapaka fizarana vondrona ireo ekipa handray anjara, amin’ilay fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hoop”, karakarain’ny Rdj. Fifaninanana andiany faharoa, amin’ity taona ity ary isan’ny be mpandray anjara. Isan’ireo ekipa goavana nisoratra anarana sy hifaninana amin’ity lalao ity moa ny ekipan’ny GNBC Vakinankaratra sy ny MB2All Analamanga, izay vao avy nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’ny N1A, farany teo. Raha natao ny kajy, teo amin’ny 86 teo no tena isa faran’ireo ekipa tonga  niatrika ny antsapaka omaly ary hifaninana, manomboka ny zoma ho avy izao eny Mahamasina. Araka ny fandaharam-potoana, tsy ankiato ny lalao fifanintsanana, amin’io zoma io, hanafainganana ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Tsahivina, ny sokajy latsaly ny 18 taona sy 23 taona, lahy sy vavy no nasaina hifaninana tamin’ity indray mitoraka ity, izay hiady ny loka goavana nomanin’ny mpikarakara.

Mi.Raz

Fizaram-bondrona “Alley Hoop”

U23 (V) Vondrona A : FMI, BF4, Normales, Team Black/Vondrona B : ASFH, Sebam, Nisa, ASMK, Les Guerriers

U18 (V) Vondrona A : LUC1, Cosfa, Ascut, Akamasoa 2 Vondrona B : BCI, Mb2all 1, BCSM, Vondrona C : LUC2, Tamifa, Mb2all 2, Akamasoa 1 Vondrona D : Bad Team, FAN, CBBT

U18 (L) : Vondrona A : Ascut 2, Dream Team, BCF, BCSM Vondrona B : RSSC, DTSC, Delta, USA, Petit soldat Vondrona C : Cosfa2, Star, Soe1, Bcr, Aedm/Vondrona D: Mb2All 1, Bonbon Clate, Etoiles, Soe2, Ascut/Vondrona E: Bci, Mb2All 1, Cosfa 1, Kintana, Ambb.

U23 (L): Vondrona A: Analam, Dragon, Badteam, Akm, Black Sholite/Vondrona B: Raprom, Team Gnbc, Atbc, Team Black/Vondrona C: Scrappers, W102 A, Usf, Fayu, Thekiller/Vondrona D: Soe, Atmb, Lucadro, Bcm, Bira/Vondrona E: Asb,W102 B, Rokie, Black Panters, Brc/Vondrona F: The Kings, Rikian, Rikiah, Fire Force, Scam/Vondrona G: Jack Crew, Ny Akama, Bollislive, Team Soad Eco, Djaffar/Vondrona H: Bmbb, Gnbc, ITTeam, Jackobola.

 

 

 

Les commentaires sont fermées.