Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolo anaka : Fahiratan-Tsaina – Fieritreretana – Fietsehampo

Kolo anaka : Fahiratan-Tsaina – Fieritreretana – Fietsehampo

 (Fizarana 5)

  1. Dr Raharison, misy fotoana na misy taona ve ny fananana « fahatsapana manokana » (hypersensibilité) eo amin’ny olona iray ?

Ny fahatsapana manokana eo amin’ny olona iray dia mety manomboka mitranga na miseho amin’ny fotoana rehetra mandritra ny androm-piainana. Manomboka amin’ny zaza ao an-kibon-dreniny ka hatramin’ny  olon-dehibe efa nahazo taona. Fa ny fisehoany no mety ho mihamafy raha misy zava-manjo vokatry ny adim-piainana na vokatry ny toe-javatra manokana mitranga.

13.Inona no mahatonga ny zaza menavava mety hanana « fahatsapana manokana »?

Tokony ho fantatsika fa eo amin’ny fahenim-bolan’ny zaza ao am-bohoka no manomboka sahady ny fifikirany amin’ny reniny. Io ilay nataon’Atoa Bolby, hatramin’ny taona 1969 hoe « Attachement ». Amin’io vanim-potoana io ny zazarano no manomboka mahatsapa sy mandre ny tontolo manodidina azy ary manomboka tsikelikely ny firaiketam-po amin-dreniny.

Misy ambaratongany ny fivoaran’ny atidoha sy ny « taova fahatsapana » (organe des sens) eo amin’ny zaza raha mbola ao an-kibo izy. Ka raha amin’io vanim-potoana io ohatra, misy dona ara-tsaina mitranga amin’ilay reny, na misy koa fifandonana mafy na disadisa miverimberina eo amin’ny mpivady na koa amin’ny reny mitondra vohoka sy ny manodidina azy, dia mety amin’ilay zaza ao am-bohoka ihany koa no miantefa mivantana ny voka-dratsy. Tsy azo hadinoina koa fa mety hisy fiantraikany amin’ilay zaza rehefa teraka izy ka na ara-batana na ara-tsaina na ara-toetra. .

14.Ary ahoana ny «  fahatsapana manokana » eo amin’ny zaza ?

Samy andairan’ny fihetseham-po daholo ny ankizy kely rehetra. Eny tokoa satria mandritra ny fotoam-pahazazana dia ny atidoha mibaiko ny fihetseham-po no tena miasa noho ny atidoha misahana ny fandinihana. Io faharoa  io tokoa dia mbola tsy ampy famatorana amin’io fotoana io. Izany no antony mahatonga ny zaza ho mora taitra, mora tohina sy mora mitomany. Fa rehefa tonga amin’ny faha-7 taony izy dia efa somary matomatotra kokoa ary eo dia mety ho hita sahady ny ampahan’izay ho toetrany. Ary ao anatin’izany ny mety hahatonga azy ho be fihetseham-po  rahatrizay mihalehibe.

15.Aty amin’ny fahalehibeazana ve vao mety ho hita ny fihetseham-po diso tafahoatra eo amin’ny olona iray ?

Tsaroako  nisy lehilahy 45 taona, mpitantana orinasa izay tena voadona mafy tokoa tamin’ny nahafatesan’ny rainy ary taty aorina izy io dia lasa narefo ara-tsaina sady nitady fitokana-monina matetika. Hatreo dia lasa nampihetsi-po azy mafy dia mafy ka nanimba tanteraka ny sainy ny mahita ny fahoriana sy ny fahavoazana zakain’ny olon-kafa.

Nisy koa vehivavy 35 taona, nianjadian’ny olana ara-pitiavana, lasa nanao fanatanjahantena diso tafahoatra ary niafara tamin ‘ny takaitra ara-batana. Rehefa nozohina ny antony dia tsapa fa hanafenana ny tsy fahatokisan-tena sy ny mamparefo ny maha izy azy no tena nahatonga izany (estime de soi).

Nisy koa lehilahy nitana toerana ambony amin’ny banky very asa, nandritra ny iray taona. Ny fahitana ireo olona tsy manan-kialofana tamin’ny haino aman-jery aza dia nahalatsa-dranomaso azy. Nitaintaina mandrakariva fa ho azon’aretina ny vadiny. Natahotra foana, ho lasa jiolahy ny zanany lahy ary niferotr’aina , halain’ny banky ny tranony.

Karazam-pihetseham-po telo diso tafahoatra miseho amin’ny fotoana efa elabe aty aoriana ireo notantaraina ireo. Ny roa voalohany dia samy nianjadian’ny sakana (notion d’interdiction) teo aloha. Ny voalohany dia tsy navelan’ny rainy nitomany mihitsy izy satria hono « ny lehilahy tsy mahazo mandatsa-dranomaso ».Ny faharoa kosa dia tovovavy narefo, nanana anadahy dimy, samy mpanao fanatanjahantena avo lenta izy rehetra afa-tsy izy vehivavy izay nilazana hatrany amboalohany fa tsy natao ho an’ny zazavavy ny fanatanjahantena. Ilay fahatelo kosa dia novoizina iasan’andro tao an-tsainy fa ny zavatra tonga lafatra sy voalanjalanja ihany no hilofosana andro aman’alina amin’ny fiainana. Ka rehefa tratran’ny fahavoazana vokatry ny fahaverezan’asa izy dia tapi-dalan-kaleha.

 

     Nangonin’i Tatiana 

(hitohy)

Les commentaires sont fermées.