Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nanadio tatatra teny Ambatomainty II A ireo ekipa teknika avy eo anivon’ny boriborintany fahadimy, tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Tatatra tsentsina tanteraka vokatry ny fako ataon’ireo mponina manodidina sy ny mpampiasa ity lalana ity no nodiovina ho fisorohana ny mety ho fiakaran’ny rano amin’ity faritra ity rehefa fotoam-pahavaratra.

Seriny amin’ny fampidirana mpianatra ny ray aman-dreny amin’izao fotoana. Tsikaritra ho nisy fiakarany na ny saram-pianarana na ny fitaovam-pianarana ka mampitaraina ireo ray aman-dreny. Tsy maintsy vidiana anefa fa tsy manana an’iza hitarainana. Manodidina ny 500 Ar hatramin’ny 1000 Ar ny fiakaran’ny vidin’ny kahie. Mandany hatrany amin’ny roa hetsy ariary mahery ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana zaza iray an-tsekoly ….

Les commentaires sont fermées.