Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatrehana ny bakalorea: betsaka ny ivontoerana mandrangaranga farabodoka

Hosantarina, ny 30 septambra ho avy izao, ny fanadinana bakalorea, taona 2019 manerana ny Nosy ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika andiany voalohany. Mbola manohy ny fampianarana ny kilasy famaranana, amin’izao 15 andro mialoha ny fanadinana izao. Efa vita tanteraka ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja rehetra fa ny fizarana amin’ny karazana laza adina mety hiseho amin’ny fanadinana sisa no hamafisina, hoy ny tompon’andraikitry ny sekoly tsy miankina iray eto an-dRenivohitra. Tsy hitsahatra ny fizarana raha tsy ny alakamisy mialoha ny bakalorea. Tsy misy zavatra mavesatra atao intsony fa ny fampianarana miatrika fanadinana no tena himasoana satria zava-dehibe izany, indrindra ho an’ireo vao sambany hanala bakalorea.

Tsy vitsy ny ivontoeram-pampianarana nikarakara faradoboka ao anatin’ny roa herinandro farany, saingy mampikorontana saina ny firotorotoana hianatra mafy, amin’izao fotoana izao. Hafa ihany ny nanaraka fampianarana nilamina, nanomboka ny volana novambra 2018 fa tsy ao anatin’ny tapa-bolana vao hanery ny saina handray fahalalana mifangaro. Vahaolana isarihan’ny faradoboka ny hoe mitovy amin’ny laza adina mety hivoaka any amin’ny fanadinana no atolotra ny mpiadina. Diso hevitra izay manaraka izany satria rehefa tsy mitovy amin’izay ny laza adina miseho, sahirana ny mpiadina.

Vonjy A.

               

Les commentaires sont fermées.