Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Baomba teny amin’ny “Galerie Smart” Tanjombato: migadra 15 taona  ilay mpampihorohoro

Baomba teny amin’ny “Galerie Smart” Tanjombato: migadra 15 taona  ilay mpampihorohoro

Raharaha iray lehibe anisan’ny niakatra tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana  misahana ny ady amin’ny kolikoly  (Pac) 67 ha, omaly ny momba  ilay baomba napetraka tao amin’ny  tranombarotra iray lehibe eny Tanjombato.  Nilatsaka ny didy ka migadra 15 taona asa an-terivozona ilay  nahavita  izany. Mbola ho avy koa ny raharaha hafa…

Anisan’ny vesatra  niampangana azy ny asa fampihorohoroana. Efatra, ahitana vehivavy iray ireo noahiahina tamin’io raharaha niseho ny 7  jona 2018 io  ary niakatra tetsy amin’ny Pac. Hita tamin’ny horonantsary fanaraha-maso eo anivon’io tranombarotra io  ny iray  amin’izy ireo nitondra entana nampiahiahy  ary napetrany tany amin’ny trano fidiovana. Nifanandrify tamin’izany  ny fanahiana ny fisian’ny baomba tao amin’io tranombarotra iray lehibe io tamin’izany. Tsy vitan’izany  fa niantso an-telefaonina tamin’ny fiteny vahiny ilay nilaza ho nametraka izany ary nanambara fa mbola  misy baomba hafa napetrany  ao amin’io tranombarotra  io. Nandritra ny tontolo andro no nikarohan’ny mpitandro filaminana  izany teny an-toerana. Mbola nahasahy niantso an-telefaonina hatrany anefa ilay “mpampihorohoro” nandritra  izany na efa  fantatra nialoha izany aza ny laharan’ilay finday. Sahy nanitrikitrika mihitsy izy  ary nandrahona ilay tompon’ny  tranombarotra. “Mbola misy baomba  hafa napetrako ao. Na efa napoakanareo aza ny iray, tsy hambarako ny  toerana nametrahako azy raha tsy manome  vola ianareo”,  hoy ny loharanom-baovao nitantara tamin’izany.

Etsy an-daniny, natao fitsirihana  amin’ny alalan’ny laboratoara ny poti-javatra tamin’ilay baomba napoaka.

Nalefa teny Tsiafahy sy Antanimora

Sarona ihany  anefa izy  ireo   rehefa natao ny fitsirihana ilay laharan-telefaonina niantsoana sy nandefasana ny hafatra fampihorohoroana nitakiana lelavola 10 tapitrisa Ar. Voasambotra teny Anosimahavelona koa  ny vehivavy sy lehilahy iray. Nitohy  tany Toamasina ny fanadihadiana satria nisoratra tamina lehilahy iray any an-toerana ilay laharana finday. Niaiky izy fa azy tokoa izany,  saingy efa nomeny an’io vehivavy voasambotra io izany laharana izany. Nohamafisin’ny mpampiasa azy rahateo fa tsy nihetsika na nanapaka ny asany io lehilahy io, ny andron’ny 7 jona io. Nampodiana izy taorian’ny fanadihadiana.   Ankoatra ireo roa voasambotra  ireo, tra-tehaka koa ilay lehilahy ahina ho tena nametraka ilay baomba tao amin’ny trano fivoahan’ny tranombarotra. Anadahin’ilay vehivavy efa voasambotra ihany izy io. Niaiky ho tompon’antoka  tamin’izany asa fampihorohoroana izany izy ireo. Nidoboka teny am-ponja eny Tsiafahy ny roa lahy, nialoha ny 26 jona 2018. Nalefa any Antanimora kosa ilay vehivavy. Niakatra  tetsy amin’ny Pac ny  raharaha,  omaly ka izao nilatsaka  izao  ny sazy.

Randria 

Niteraka horohoro teto an-dRenivohitra io raharaha iray io tamin’izany…

Raharaha iray niakatra tao amin’ny Pac koa ny tsenam-barom-panjakana teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora ny  taona 2012. Migadra enim-bolana an-tranomaizina ilay mpandraharaha voasaringotra tamin’izany noho  ny tsy fisian’ny asa vita na  nitsangana akory. Voarohirohy tamin’izany ny koa tale misahana ny vola  eo anivon’io minisitera io sy ny PRMP.

Les commentaires sont fermées.