Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nahitana fivelarana lehibe: mitombo hatrany ny fitiavana hiragasy

Nahitana fivelarana lehibe: mitombo hatrany ny fitiavana hiragasy

Na eo aza ny tsy fananana kianja eto an-dRenivohitra, nahitana fivelarana lehibe ny tontolon’ny hiragasy. « Manantombo maro raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ny adin-kiragasy notontosaina tamin’ity maintany ity », hoy i Dadafara Hiragasy (LT Production). Anisan’ny antony nahatonga izany ny fitomboan’ny isan’ny Malagasy mahafantatra ity zavakanto iray ity, raha ny fanazavany hatrany. Antony iray ihany koa ny andrana ataon’ny olona sasany. Manandrana maka tarika mpanao hiragasy, ohatra, ny fikambanana na olona tsotra, mikarakara lanonana. Rehefa hitan’izy ireny fa tian’ny mpijery izany, tohizany hatrany.

… Na izany aza, tsy tokony hijanona amin’ny fitomboan’ny isan’ny adin-kiragasy vita ao anatin’ny maintany iray ny fivelarana, raha ny fanazavan’i Dadafara LT Production. « Aza hadinoina fa fanabeazana feno ny hiragasy. Noho izany, tokony hipaka any amin’izay mihaino sy mahita azy io fanabeazana io », hoy izy. Nambarany fa raha tafita any amin’ny olona tsirairay nanomboka sy manomboka tia ny hiragasy ireny hafatra fonosin’ity zavakanto ity ireny, izay no tena fivelarana lehibe satria ny maha olona (fo, saina, vatana, fanahy) mihitsy no voakitika ao anatiny. Notsiahiviny hatrany ilay maha fitaizana sy fanabeazana ny hiragasy.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.