Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mirehitra mena…

Mirehitra mena…

Mampanahy tanteraka. Mirehitra mena noho ny doro tanety ny ankamaroan’ny manamorona ny lalam-pirenena eto amintsika. Anisan’izany ny mandeha mihazo ny any Mahajanga, ny  mandeha Morondava na koa ny mizotra mankany Ihorombe. Fa azon’inona loatra isika? Vao eo no ho eo ny Papa Fransoa no nanafatrafatra momba ity resaka fiarovana ny tontolo iainana ity… “Iray ihany ireo ary mifamahofaho satria sady krizin’ny sosialy nefa koa krizin’ny tontolo iainana… Tandindomin-doza ny harem-pirenena vokatry ny faharavan’ny ala tafahoatra noho ny afo amin’ireo ala sisa tavela. Ny fandripahana tsy ara-dalàna ary ny fikapana tsy misy fetra ireo hazo sarobidy… Ny fanaovana an-tsokosoko asa sy ny fanondranana any ivelany tsy manara-dalàna… Manohintohina ny hoavin’ny firenena sy ny tranobe iombonantsika ny fahasimbany”, hoy izy. Efa zary raiki-tampisaka amin’ny toe-tsain’ny sasany ny fandoroana ny tanety. Mety eo ny tsy fahalalana na koa ny fanahy iniana. Ao koa anefa ireo maneho tsy fahafaliana noho ny resaka politika. Efa nanambara izany rahateo ireo mpikajy sy ny mpiaro ny tontolo iainana, saingy mandrora mitsilany ihany isika amin’izany. Tsy mijery lavitra fa ny eo ambany maso ihany. Ny anio, ho vita ihany fa ny hoavin’ny taranaka sy ny faramandimby, hanao ahoana? Handova tany dezaka sy maina, ho lavitry ny rano sy ireo ala na karazan-javamaniry sy biby izy ireo?

Aza gaga raha hirehitra mena avokoa amin’izany fotoana izany ny sehatra maro.  Anisan’izany ny tabilaon’ny toekarena sy ny fihariana satria hiantraika mivantana any amin’izany izao fandorana tsy am-piheverana ala sy tanety izao. Hirehitra mena ny tabilaon’ny fahasalamana fa hahazo laka ny fiparitahan’ny valanaretina toy ny pesta satria hiakatra an-tanety ireo voalavo. Na koa ireo aretina hafa noho ny fahamain’ny tany sy ny tsy fisian’ny rano. Ho maro ireo ho tratry ny aretin’ny taovam-pisefoana fa hiova tanteraka ny toetry ny andro… Hitombo ny fahantrana ary hisy hatrany ny mahantra vaovao… Ampahany ihany ireo fa mety hirehitra mena avokoa ny tabilao amin’ny sehatra rehetra… Dieny izao, tokony samy handray ny andraikitra sy ny fepetra tandrify azy ny tsirairay. Hatomboka any ifotony izany…

Synèse R.

 

 

Les commentaires sont fermées.